ActualitésTsidika

Anosy avaratra : Notolarana fanomezana avokoa ireo mpiasan’ny kaominina

Tao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovan-tena, tao amin’ny kaominina Anosy Avaratra, dia notoloran’ny ben’ny tanàna ao an-toerana fanomezana ireo mpiara-miasa aminy ao amin’ny biraon’ny kaominina.

“Manao ezaka hatrany ireo tomponandraikitra avy eo amin’ny kaominina amin’ny fanohanana sy ny fizarana fanomezana ny rehetra, mba ho fiarahana mandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena. Fety ho an’ny Malagasy ny fetin’ny fahaleovan-tena ka rariny raha mifaky avokoa ny rehetra” hoy  ny avy amin’ny kaominina.

“Fisaorana feno no hatolotra ny ben’ny tanàna izay nanohana sy nizara hatrany ny fanomezana nentina nankalazana ny fety. Zava-dehibe ho an’ny tsirairay tokoa izy ireny ary nahafahana nankalaza ny fety tamim-pifaliana” hoy i Haja, mponina ao Anosy Avaratra.

Tsy ireo mpiara-miasa amin’ny ben’ny tanàna ao anatin’ny kaominina ihany moa no nisitraka izao fanomezana izao. Nisy ihany koa ny fizarana sakafo sy arendrina isam-pokontany tao an-toerana, ny faran’ny herinandro teo.

Manitra R.

Laisser un commentaire