ActualitésTsidika

« Forage » miisa 15 no kasaina hovitaina ao Avaradrano

Isan’ny mampitaraina ny olona any amin’iny faritra Avaradrano iny ny tsy fahampian’ny rano. Nanome toky ny avy ao amin’ny Ministeran’ny rano fa fandavahana miisa 15 no tsy maintsy vitaina alohan’ny faran’ny volana oktobra izao.

« Rehefa nandeha ny fitarainana teny amin’ny fitondram-panjakna dia namaly ny antso avy hatrany izy ireo ary efa natomboka ny asa mba hsiitrahan’ny mponina rano » hoy ny solombavambahoaka voafidy tany Avaradrano, Randriambolaina Gerry. « Ny Ministeran’ny rano sy ny fidiovana ary ny fahadiovana dia miezaka hatrany ny hisitrahan’ny vahoaka malagasy rano izay antoky ny fahavelomana satria zava-poana isika raha tsy misy rano » hoy ny avy ao amin’ny Ministera.

« Aoka mba manam-pahaizana Malagasy no ampanaovan any fananganana ireto «forage» ireto fa tsy ny orinasa sinoa na vahiny akory mba ho tena mafy sy ho lovain-jafy ny asa fa tsy sanatria vetivety dia simba » hoy i Rolland, mponina any Alasora. Tafiditra ao antin’ny filàn’ny olombelona ny rano saingy tena mahavaha ny olana tokoa ve ity forage ity ? Hahasehaka ny faritra iray manontolo sy ny mponina rehetra ao Avaradrano ve izany ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire