Sabotsy Namehana : Lehilahy iray maty an-drano tao amin’ny renirano Imamba
Lehilahy iray no maty an-drano tao amin’ny renirano Imamba, kaominina Sabotsy Namehana, ny alahady tolakandro teo. Araka ny voalazan’ireo olona nanatri-maso ny zava-misy teny an-toerana, nikasa hanavotra vehivavy iray latsaka tao anatin’ny rano ity farany, ka avotra soa aman-tsara ilay vehivavy, namoy ny ainy kosa ilay lehilahy.
“Fampitandremana efa natao ireo mpivahiny eto an-toerana foana ny mahakasika ity rano ity izay tsy tia vahiny. Efa fanindroany izao tamin’ity taona ity no naka olona ity rano ity. Izy jerena rano tony sy marivo kanefa tena mila mitandrina satria ny loza tsy mampilaza” hoy i Nadia, mpanasa lamba.
“Mbola betsaka ny faritra hitoerana fanahy na an-drano io na an-tanety. Maro anefa ny Malagasy no tsy mino an’izany kanefa tsara hatrany ny manaja azy ireny na inona antony na inona satria mbola misy ireo hasina sy fomba mipetraka na efa misy aza ny fandrosoana” hoy i Toky, mponina ao Sabotsy Namehana.
Tonga teny an-toerana ara-potoana moa ny avy amin’ny mpamonjy voina nikaroka ny razana. Araka ny voalaza hatrany, naharitra ny fotoana nikarohana ny razana tao anatin’ny rano.
Manitra R.
