ActualitésTatitra

Etats-Unis : Mihena ny fatran’ny rano eran’izao tontolo izao

Raha ny valin’ny fikarohana nataon’i Balaji Rajagopalan, mpampianatra ao amin’ny University of Colorado Boulder dia mihena ny fatran’ny rano eran’izao tontolo izao. Nanazava ny tenany fa farihy sy fitahirizana maro eran’izao tontolo izao no miha ritra na efa ritra mihitsy vokatry ny fiakaran’ny fiafanan’ny tany sy ny fampiasan’ny olombelona tafahoatra azy.

Amin’izao fotoana dia ampahefatry ny mponina eran-tany no efa mipetraka amin’ny faritra misy farihy na fitahirizan-drano maina hoy i Balaji Rajagopalan. Tamin’ny alalan’ny zana-bolana no nahafana nanao io fanadihadiana io. Tamin’ny lalan’izany ihany koa no namaritana fa mandrakotra ny 3% amin’ny tany ny farihy, saingy misahana ny 87% amin’ny ranomamy eran’izao tontolo izao.

Nilaza i Balaji Rajagopalan ta tsy ireo toerana maina ihany no voakasik’io fihenan’ny rano io fa ireo faritra mando ihany koa.

Laisser un commentaire