Ankadikely Ilafy : Ny alakamisy sy zoma izao ny fitsarana miaramila
Ny alakamisy 01 sy zoma 02 jona ho avy io no hanatanterahana ny fitsarana miaramila ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Mbola mitohy hatrany ny fanentanana ireo tanora ao an-toerana sy ny manodidina ao anatin’izany.
« Entanina hatrany ireo tanora lahy sy vavy manomboka amin’ny 19 taona ka hatramin’ny 31 taona tsy mbola nitsara miaramila, ho avy hanatanteraka izany eny amin’ny kianja Fifankatiavana Ankadikely Ilafy. Antsoina ihany koa ireo tsy nahazo ny attestation de revision ny taona 2020 hanatavin-daharana amin’izany » hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny kaominina.
« Tsy tokony atao ambanin-javatra ny fanaovana ny fitsarana miaramila. Tahaka ny karapanondrom-pirenena ihany dia zava-dehibe ny fananana azy ary maro ireo antontan-taratasy tsy tomombana raha tsy mahavita ny fitsarana miaramila. Hanentanana ny tanora tsy hanao izany ambanin-javatra » hoy ny avy amin’ny mpitandro filaminana.
Tahaka ireo taratasy ilaina amin’ny maha olom-pirenena dia efa maro ireo tanora no nahavita ny fitsarana miaramila. Tsy misy zava-tsarotra ihany koa fa penina manga sy kara-panondrom-pirenena ihany no entina manatanteraka izany.
Manitra R.
