ActualitésTatitra

Maurice : Mbola afaka mitsidika ny nosy tsy misy pasipaoro ny mponin’ i La Réunion 

Mbola afaka mitsidika an’i Maurice tsy mila pasipaoro ny mponina avy ao La Réunion amin’izao fotoana. Kara-panondrom-pirenena ihany dia ampy hitsidihan’izy ireo ny toerana ary manan-kery hatramin’ny faha-30 ny volana jona 2024 izany fandaminana izany raha fanazavana. Raha tsiahivina dia efa nanomboka ny volana septambra 2022 io fanampahan-kevitra io. 

Marihina fa efa akaiky ny fotoam-pialan-tsasatra lehibe ao amin’ireo nosy ireo. Noho izany dia efa mivonona amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahan-taniny ny nosy Maurice, anton’io fanitanarana ny fe-potoana io. Tsiahivina mantsy fa ny 30 jona 2023 izao no nokasaina nofaranana io fandaminana io saingy nohitarin’ny tompon’andraikitra izany. 

Misy nefa ny fepetra mila arahina amin’ny fisitrahana io tolotra io. Isan’izany ny fonenana ao La Réunion, ny fijanonana alina roa farafahakeliny ao amin’ny nosy Maurice, ny fananana kara-panondro frantsay… 

Laisser un commentaire