« Entreprise individuelle », boky ho an’ny mpandraharaha hita ao amin’ny fivarotam-boky CMPL
Tsara ny mahafantatra tsara ny sokajina orinasa tianao ho an’ny orinasanao. Raha liana amin’ny « Entreprise individuelle (EI) » ianao dia manana boky afaka hanampy anao hahalala izany ny fivarotam-boky CMPL eny Isoraka.
Ity torolalana ho an’ny « entreprise individuelle » ity dia mirakitra ny dingana rehetra amin’ny famoronana sy fitantanana ny EURL, ny EIRL ary ny satan’ny autoentrepreneur. Hita ao anatin’ny boky ny fepetra fifantenana ara-dalàna ny hetra sy ny sosialy; ny drafitra arahina sy ny fandrafetana ny sata ; ny fomba fitantanana ny orinasa, indrindra ny mahakasika ny ara-bola izany.
Tsar any manamarika fa efa nampanarahana ny lalàna farany indrindra ary indrindra ny lalàna momba ny fitantanam-bola ho an’ny taona 2023 sy ny lalàna tamin’ny 16 aogositra 2022 momba ny fepetra maika ho fiarovana ny fahefa-mividy ary ihany koa ny lalàna 14 febroary 2022 manohana ny asa mahaleotena matihanina. Araka izany dia tsy misy hatahorana ny loharanon-kevitr ary voavaly avokoa ny fanontaniana rehetra.
Hita eo Isoraka ny fivarotam-boky CMPL, ary azo atao ihany koa ny mividy izany an-jotra ka aterina mivantana any an-trano. Ny fanazavana fanampiny dia azo hanontaniana ao amin’ny pejy « facebook » https://web.facebook.com/librairie.cmpl
0 20 22 244 62
Miora Raharisolo
