Mandritsara : Savorovoro eo amin’ny mpamily Bajaj
Nisy ny fanambarana ofisialy ny fijoroan’ny fikambanan’ny Bajaj manara-penitra any Mandritsara ny 18 aogositra lasa teo tao amin’ny Bazary kely Mandritsara. Niray feo ny rehetra taorian’izay fa tsy hanaiky intsony ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ireo mpamily sasany amin’izany Bajaj izany.
« Misy ireo mpamily tsy manaja ny mpandeha akory, tsy manana fahazahoan-dalana hamily sy tsy fanarahan-dalàna maro hafa, tsy ekena intsony izany manomboka ny 23 aogositra izao » hoy ny mpitarika ny fikambanan’ireo Bajaj, Randriaminozara Veve. « Tokony hanara-penitra hisorohana ny gaboraraka izay efa nahenoana taraina betsaka tamin’ireo mpandeha » hoy ny mpamily iray. Nanamafy ihany koa moa ilay filoha mpitarika azy ireo ka niteny hoe : « Aoka ny gaboraraka sy tsy fanarahan-dalàna nataon’ireo mpamily Bajaj eto Mandritsara ary miantso ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka eto Mandritsara ».
« Misy tokoa ireo mpamily dia mieritreritra hoe mitaingim-potsiny izahay mpandeha, raha tsy misy anefa izahay dia tsy mahita vola izy, mizotra makaiza ny firenena ? » hoy i Remi, mponina any an-toerana. Tsy mahantra harena tokoa i Madagasikara fa toe-tsaina entina mandroso no tsy ampy. Tsy misy ny asa ratsy fa ny fanajana azy no tena zava-dehibe. Rahoviana vao handroso ny firenena?
Nicole Rafalimananjara
