SocialTsidika

Vehivavy voatsatoka lefona tao Maintirano

Tsy milamina ny tany, mitombo isa ny olon-dratsy. Tsy ny mpitandro filaminana akory no vitsy na i Madagasikara no baranahany fa ny fahantrana miteraka fankam-panahy maro kanefa ahitan-doza. Tsy voatery vola na fananana ihany no alain’izy ireo fa mety hoe lonilony fotsiny dia ny ainao no kendreny. Toy ity tany Andranovao Maintirano ity, ramatoa iray 62 taona no maty niharan’ny kapa famaky sy tsindrona lefona. Mpamboly izy ary notafihan’olona tsy fantatra tao an-tranony ny 21 Martsa lasa teo, tamin’ny 08ora sy sasany alina tao Manapape, Kaominina ambanivohitra Andranovao, Distrikan’i Maintirano. Kapa famaky teo amin ny lohany sy tsindrona lefona avy tao an-damosiny avy hatrany no nihatra tamin’ity renim-pianakaviana ity. Afaka talohan’ny nahatongavan’ny mpitsabo ny ainy ary tsy nisy azo natao intsony afatsy ny nikarakara ny razana. Nitsoaka ireo dahalo raha nahavita ny asa ratsiny, ary tsy azo na dia nifandrombahan’ny zandary sy ny Fokonolona faran’izay haingana aza ny kizo rehetra noheverina holalovan’izy ireo. Marihana fa tsy nisy vola na entana voaroba. Inona no antony ? sotasota sa andrakandrana sa lonilony fotsiny no nahavitana namonoana olona tahaka izao ? Samia mitandrina eny amin’ny fiaraha-monina eny, fadio ny miadiady aman’olona fa manaova ny mety hatrany, fidio ihany koa ny olona hiaraha-monina sy hifandraisana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire