Tsy misy atahorana tokoa ve ity vaksiny ity ?
Maro be ireo efa nanao ny vaksiny fanefitry ny Covid-19 hatramin’izao, ary ao ihany koa ireo mbola misalasala. Ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny mpitandro filaminana no nisantatra izany teto an-toerana. Araka ny tatitra avy amin’ny mpiasan’ny fahasalamana dia tsy mbola nisy hatreto ny voka-dratsin’ny fanaovana izany. Nijoro vavolombelona ihany koa ireo efa nanao izany fa salama tsara ary miha matanjaka taorian’ny vaksiny, nisy ihany kosa anefa ny tsy fahasalamana kely nandritra ny roa andro taorian’ny vaksiny, tsy fahasalamana, izay efa nampoizina araka ny fampihomanan’ny dokotera talohan’ny fanaovana vaksiny (mety hanavy, harary loha sy mavesabetsatra ny ilany havia…). Nodimandry androany 20 may anefa i Dr Hasina Raherimandimby, Mpampianatra ao amin’ny Fakiolten’ny mpitsabo any Fianarantsoa sy manana andraikitra ao amin’ny CHU Tambohobe. Vita vaksiny omaly 19 may anefa izy. Manana areti-mitaiza izy ary azo lazaina ho maty tampoka anefa satria mbola salama tsara izy ny maraina teo tokony ho tamin’ny 9 tany ho any, ary mbola nanao fanatanjahan-tena, ary maty taorian’izay. Noho ilay vaksiny ve no nahafaty azy sa ilay areti-mitaiza ? Tsy zakan’ny vatany ve ilay vaksiny natao ka izao nitarika azy ho amin’ny fahafatesana izao ? Tsy voka-dratsin’ny vaksiny ve izao raha avy amin’ny vaksiny tokoa no nahazo azy ? Fanontaniana ihany ireo mipetraka ireo.
Nicole Rafalimananjara
