ActualitésTsidika

Alasora: Nahazo kaomandin’ny brigady vaovao ny zandarimaria

Nahazo kaomandin’ny brigady vaovao ny brigadin’ny zandarimaria ao Alasora.  Ny adjudant chef Randriamihanta Miandrisoa Abel indray no voatendry eo amin’izany toerana izany, araka ny voalaza.

« Ny adjudant chef Randriamihanta Miandrisoa Abel no commandant de brigade vaovao eto Alasora. Izy dia efa adjoint an’ny kaomandin’ny brigady teo aloha. Ity farany izay voatendry amin’ny andraikitra farany ka nandao an’Alasora tamin’ny herinandro lasa teo » hoy ny avy amin’ny zandarimaria Alasora.

« Manantena fitohizan’ny asa amin’ny fitandroana fahalemana izahay mponina. Efa iaraha-mahalala ny tsy fandriam-pahalemana eto an-toerana ka izay hatrany no handraindraina » hoy i Nivo, mponina ao Alasora.

Nanomboka ny alatsinainy teo moa dia efa nanomboka ny asany amin’ny maha CB vaovao azy ity kaomandin’ny brigady vaovao ity.

Laisser un commentaire