Royaume-Uni : « The Beatles », tarika nalaza tany amin’ny taona 60
Tarika mpihira iray tao Royaume-uni ny « The Beatles ». Avy ao Liverpool sy Angleterre ny mpikambana tao aminy. John Lennon kosa no nanangana ny tarika tamin’ny alaln’ny Quarrymen ny taona 1957. Ny taona 1960 vao niova « The Beatles » ny anaran’izy ireo ary ny taona 1962 vao tena raikitra izany.
Efatra no tena mpikamban’ny « The Beatles » John Lennon, Paul McCartney, George Harrison ary Ringo Starr. Voasokajy ho an’izy tarika nalaza sy goavana indrindra teo amin’ny tantaran’ny « rock » izy ireo. Tao anatin’ny 10 taona nisian’ny tarika sy ny 7 taona niraiketany mantsy dia namoaka rakin-kira 12 ny tarika izay misy hira manodidina ny 200 izay nosoratan’i John Lennon, Paul McCartney ny ankahamaroany.
Mbola tsy nisy nahasongona azy ireo teo amin’ny tantaran’ny indostrian’ny firaketana.
