ActualitésTsidika

Talata Volonondry: Tafatsangana ny tobi-paritry ny zandarimaria vaovao

Tafatsangana ny tobi-paritry zandarimariam-pirenena ao amin’ny kaominina Talata Volonondry. Nisy ny fitokanana izany tamin’ny fomba ofisialy, ny herinandro teo.

« Noho ny ezaka nataon’ny ben’ny tanàna eto an-toerana dia tafapetraka soa aman-tsara ny foto-drafitr’asa. Izany moa dia noho ny fifanomezan-tanana mba ho antoky ny fandriam-pahalemana eto amin’ny kaominina » hoy ireo tomponandraikitra.

« Zava-dehibe ho an’ny mponina ny fisian’ny biraon’ny zandarimaria izao. Antoky ny fampandrosoana fa indrindra antoky ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana ety an-toerana izany » hoy i Laza, mponina ao Talata Volonondry.

Tonga ny nitarika ny lanonana fitokanana n’y tobi-paritry zandarimaria ny filohan’ny antenimieran-doholona, Richard Ravalomanana, notronin’ireo solon-tenam-panjakana avy amin’ny ministera misahana ny zandarimaria.

Laisser un commentaire