ActualitésTsidika

Talata Volonondry : Ho atomboka ao an-toerana ny fanamboarana ny lalana migodana

Ao amin’ny fokontany Ambolo, kaominina Talata Volonondry no hanombohana ny fanamboarana ny lalana migodana (autoroute), izay hanomboka afaka andro vitsy ny fanamboarana izany, araka ny voalaza. Ny talata lasa teo, nisy ny fifampiresahana tamin’ireo mponina tao an-toerana sy fanatanterahana fomba nataon’ny faritra Analamanga sy ny ministera miahy ny asa vaventy.

« Raha ny tsapa sy ny hita nandritra ny resaka sy fifampidinihana dia mankasitraka sy tsy manda ary tsy manohitra ny tetik’asa ny mponina fa fotsiny nangataka ny mba hikarakarana haingana ny fanonerana ny tanimboly sy ny tanimbarin’izy ireo izay voakasika amin’ity tetikasa ity » hoy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny faritra Analamanga.

« Nisy ihany koa ny fangantahan’izy ireo, izay voakasiky ny tetikasa izay nentin’ny filohan’ny fonkotany mahakasika ny fanamboaran-dalana sy ny hananganana CEG ary ny fametrahana jiro. Ireo fangatahana ireo izay ho tanterahan’ny faritra Analamanga ny fanatanterahana azy » hoy hatrany  ny ao amin’ny faritra Analamanga.

Nandritra izany fandehanana teny ifotony nataon’ny avy amin’ny faritra Analamanga sy ny ministera izany moa, dia nisy ny fangataha-tso-drano ho fanombohana ity asa goavana ity. nisy araka izany ny famonoana omby, izay nifampizarana tamin’ireo mponina ho nofon-kena mitam-pihavanana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire