ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Nisitraka ny tsena mora indray ny Fokontany Manjaka

Nisitraka tsena mora indray ny tao amin’ny Fokontany Manjaka, ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Nilamina tsara ny hetsika nandritra ny tontolon’andron’ny 12 aprily.

« Ny Fokontany Manjaka sy ny manodidina indray no nisitraka ny tsena mora. Jifaina 1 000 Ariary hatrany ny iray kilao amin’ny vary, ary ferana 5 kilao isan-tokantrano, ny menaka kosa dia 5 000 Ariary ny litatra » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. « Nanaraka hatrany ny fandaminana ny mpanjifa. Tsy nisy loatra ny olana teo amin’ny fanatanerahana izany. Manampy betsaka ny mponina eto tokoa ity tetik’asa ity » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny Fokontany Manjaka. Manampy betsaka amin’ny sosialin’ny mponina tokoa ny fisian’ny tsena mora. Mitohy amin’ny fokontany hafa hatrany izany ho an’ny kaominina Ankadikely Ilafy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire