ActualitésTsidika

RSE : Tetika iray ahafahana mampandroso an’i Madagasikara, hoy ireo orinasa tsy miankina sasany

Maro ireo fikafika izay azo hatao hampandrosoana an’ny Madagasikara. Efa maro ireo orianasa isan-tsokajiny samy manao izany amin’ny sehatra rehetra misy azy. Anisan’ny azo hampiasaina ihany koa anefa ny RSE raha izay tanjona izay no tiana ho tratrarina. Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fampandrosoana ny RSE raha ny orinasa rehetra no manao izany isaky ny orinasany. Efa miroborobo izy io saingy mbola misy ihany koa anefa ireo tsy mahalala izany.

« Raha ny fanatanterahana ny RSE izao tokony hisy fiantraikany goavana any amin’ny mponina. Maro ny orinasa manao izany RSE izany fa saingy toa tsy misy fanaraha-maso ilay izy ohatra. Lasa manjary ny fampitomboana ny fahitan’ny olona ilay orinasa fotsiny sisa no hataon’izy ireo. Izany anefa ilay tsy mampandroso ka tokony hamboarina sy hatsaraina », hoy i Andry Ramanankasina, Consultant Junior ao amin’ny orinasa Buy Your Way.

« Ny hoe fampandrosona ihany koa tokony hitondra tombony ho an’ny taranaka. Izany hoe ahitana taratra fampandrosoana lovain-jafy. Izany anefa tokony ho azo raha mampiasa ny RSE ka ny fahitako azy aloha hatreto dia tokony hitondra fandrosoana ho an’ny Madagasikara ny fanatanterahana ny RSE », hoy hatrany ny fanazavany.

Miombon-kevitra amin’izany ihany koa Lalatiana Raveloarison, mpanorina ny orianasa Eco Bazar : « tokony hisy fiantraikany mivantana amin’ny mponina sy ny firenena mihitsy ny fanatanterahana ny RSE fa tsy mijanona fotsiny hoe hitady tombony ho an’ny tenany ilay orianasa », hoy izy tamin’ny fanehoan-keviny.

Maro ny fisehon’ny RSE izay afaka hisafidianan’ny sehatra rehetra araka ny tahirim-bolany. Etsy andaniny anefa na tsy mandany vola be aza ny fantanterahana ny RSE fa rehefa hita fa mety hampandroso amin’ny alalan’ny asa kely madinika isan-karazany dia efa mety. Hampidirina eny anivon’ireo orinasa izay mbola tsy mahafantatra izany ihany koa izy ity. Anisan’ny efa fomba iray hampidirana izany fanatanterahana ny fifanakalozan-kevitra mahakasika ny azo hatao eto Madagasikara amin’ny tontolon’ny RSE.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire