Etats-Unis : Ankizy 10 taona nitifitra basy ny reniny rehefa nandà nividy « casque de réalité virtuelle » ho azy izy
Ankizy lahy 10 taona no naka ary nitifitra basy ny reniny, Quiana Mann rehefa nandà nividy « casque de réalité virtuelle » ho azy izy. Tao amin’ny trano fonenan’ny ankohonana tao Wisconsin no niseho ny tranga ny 21 novambra teo.
Voa teo amin’ny lohany io renim-pianakaviana 44 taona io ka namoy ny ainy teo no eo. Niantso ny zokiny vavy 26 taona izay niantso ny mpamonjy voina io ankizy io taorin’ny tranga saingy efa tsy avotra intsony i Quiana Mann. Nilaza io zazalahy io rehefa tonga tao an-toerana ny manam-pahefana fa « accident » no nahatonga io loza io.
Ny ampitson’ny tranga dia nividy « casque Oculus » tamin’ny Amazon tamin’ny alalan’ny karatrin’ilay reniny efa maty io zazalahy kely io. Mifona tamin’ny renibeny izy ary nialatsiny taminy nohon’ny famonoany an’i Quiana Mann talohan’ny nametrahana ny fanotaniana hoe « efa ve tonga ve ilay entana novidiany tamin’ny Amazon ».
Nosamborina io zazalahy io taorian’izany ary mitentina 50.000 dollars ny sandan’ny fahazoany fahafahana vonjimaika. Fantatra kosa fa teo amin’ny faha-4 taonany dia nikasa efa namono zanak’alika io ankizy lahy io ary enim-bolana talohan’io nahafatesan’ny reniny io dia nikasa nandroro ny trano fonenan’izy ireo ny tenany.
