Etats-Unis : Fiaramanidina kely iray nianjera tamin’ny tany, olona dimy no namoy ny ainy
Fiaramanidina kely iray, nitondra mpandeha miisa dimy, nikasa ny hiantsona tao amin’ny seranam-piaramanidina John C. Tune, no tra-doza ka nianjera tao amin’ny lalambe mikodana (autoroute) tao Nashville, any atsimo atsinanan’i Amerique, ny alatsinainy teo. Maty avokoa ireo mpandeha dimy tao anatiny vokatr’izany fianjerana izany. Nahazo fanamarihana ny mpanamory ity fiaramanidina ity fa nisy tsy fahatomombanana ny motera, ka tsy maintsy hiantsona tao amin’ny seranana voalaza etsy ambony, saingy kilometra vitsy mialohan’ny nitontonan’ity fiaramanidina tamin’ny tany, dia nirefotra tamin’ny arabe ity farany.
