Anosy Avaratra : Nisy ny fambolen-kazo niarahana tamin’ny Skoto
Nisy ny fiaraha-mientana tamin’ny fambolen-kazo nataon’ny kaominina Anosy Avaratra sy ny Sampati, avy ao amin’ny FJKM ao an-toerana, ny faran’ny herinandro teo. Fandraisana anjaran’izy ireo amin’ny fikoloana ny tontolo iainana no tanjona tao anatin’izany, araka ny voalaza.
« Manana adidy ny tsirairay amin’ny anjara biriky ho famerenana an’i Madagasikara ho nosy maitso indray. Izao fandraisana anjara izao dia mba ho fikoloana ny tontolo iainana, fa indrindra ihany koa ho fanomezana endrika ny lalana ety amin’ny tanàna » hoy ny avy amin’ny kaominina.
« Zava-dehibe ny fiaraha-mientana sy ny fandraisana andraikitra tahaka izao. Izany moa dia taratry ny fanabeazana ka hisaorana azy ireo. Mila entanina anefa ny olona tsirairay mba samy ho sarotiny sy hikojakoja ireny hazo novolena ireny mba tsy ho herim-po veri-maina ny ezaka amin’ny fanatanterahana izany » hoy i Lydia, renim-pianakaviana.
Anisan’ny tsy tokony atao ambanin-javatra, aorian’ny fambolen-kazo ny fanaraha-maso sy ny fikarakarana ireo zana-kazo natsatoka. Izany moa dia tafiditra ao anatin’ny fanentanana ataon’ny ministera misahana ny tontolo iainana mba tsy ho zava-poana ny ezaka atao amin’ny fambolen-kazo.
