SportTsidika

Anjeva Gara : Iza ny ho tafiakatra amin’ny lalao famaranana ?

Hotanterahana amin’ny alahady ny lalao manasa-dalana hiadiana izay ho tompon-dakan’ny ben’ny tanàna. Ny Klioba Interpool Anjeva sy Interpool Juniors ary ny SS20 (Avaratra) VS Fanilo Manohisoa no hifanandrina amin’izany.

« Tongava maro fa hiady ny baolina. Ho an’ny lalao voalohany dia tsy maintsy hisara-dalana ny klioba Interpool anaky 2 manomboka eto. Izy ireo no nandrombaka ny coupe du Maire roa farany ary izay mahery no hilalao ny famaranana » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Anjeva Gara. « Ny lalao faharoa dia klioba tsy dia nampoizina loatra hiakatra hatrany amin’ny lalao manasa-dalana ny SS20. Efa mahazatra ny Fanilo Manohisoa kosa ny manao ny lalao manasa-dalana » hoy i Andry, mponina ao Anjeva.

Manasa ny mponina rehetra eto Avaradrano hanatrika ny lalao. Miroborobo tokoa ny tontolon’ny baolina kitra manerana ny distrikantsika.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire