SocialTsidika

Ambohimanga Rova : Misaritaka ny fizarana ny tosika 50 000 ar

Nisavoritaka ny mponina tao Ambohimanga Rova nandritra ny fizarana ny tosika ho an’ny mponina izay mitentina 50 000 ar.

Nisy efa tafiditra tao anaty lisitra kanefa tsy nahazo ny anjara volany nony farany. « Nisavoritaka be ny nanaovan’izy ireo an’ilay fizarana tosika, tsy nisy fandaminana kely aza, ohatran’ny hoe vola tsy foy » hoy i Vatsy, renim-pianakaviana monina any an-toerana. « Rehefa voaray ny anarana ary azo sary ny olona dia tsy hisalasalana fa tsy maintsy mahazo satria efa tafiditra anaty lsiitra » hoy ny tompon’andraikitra oa amin’ny fizarana izany. Nilaza anefa ity ramatoa iray ity nanao hoe : « Efa nalaina sary ary nalainy ihany koa ny anarako kanefa tsy tafiditra tao anaty lisitra hono, tsy hay intsony hoe nalainy ve ny vola sa tsy fahaiza-mandamina ». Tsy hay intsony izay tena tokony ho izy amin’ity fizarana fanampiana ity, tsy hay na vavany fotsiny ho entina misehoseho na tena hanampy ny olona tokoa.

Ny olona efa eo am-bavahoana ny hanoanana tanteraka sy ny fahasahiranana latsa-paka, izoa anefa no mahazo azy. Mbola fanampiana ihany ve no antsoina ny tahaka izao ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire