ActualitésTsidika

Manao ahoana ny hafatra napetrak’Andrianampoinimerina ho an’ny eto amin’ny Nosy amin’izao ?

Mpanjaka azo lazaina ho hendry indrindra i Andrianampoinimerina ary fatra-panaja ny soatoavina izay nitondra ny fanjakan’ny Merina ny 1787 hatramin’ny 1810.

« Imboasalama » no anarany raha ny filazan’i Didier Ratsiraka satria Antemoro anakara izy fa tsy avy eto Imerina akory ary fady amboa ny Antemoro raha i « Ibn Salam » no tena anarany. Nanangana an’i Laidama izy fa tsy tena ray niteraka azy akory raha ny tantara no jerena. Isan’ny tarigetra notratrariny ny hanjaka manerana ny nosy ka nilaza izy tamin’izany fa « velona ho an’ity nosy ity, hanompo ity nosy ity ary ho faty ho an’ity nosy ity ». Marihina fa tsy mbola fantany tamin’izany hoe i Madagasikara no anarana nomen’ny vazaha Eoropeanina ity nosy ity fa hainy hoe nosy voadidina ranomasina izy raha ny tenin’Andriamasinavalona ka izay no nahatonga azy niteny hoe « Ahy ny anivon’ny riaka … ny ranomasina no valaparihiko ».

Nijery mpanandro mahay izay afaka mijery ny hoavy izy rehefa antitra tany Mananara izay Ambatofahavalo ankehitriny ka tao no nilazan’ity mpanandro fa « hiverina ny fanjakanao Andrianampoina izay hoe hiverina amin’ny tompon-tany, hiadana ny vahoaka, handry ny tany sy ny fanjakana ». Ny tarigetran’i Andrianampoinimerina no nentin’ireo andriana taty aoriana ary hatramin’izao « « velona ho an’ity nosy ity, hanompo ity nosy ity ary ho faty ho an’ity nosy ity. Loza ho an’izay mandrava izany tarigetra masi,na izany hoy ireo mpahay tantara. Fony izy maty dia nilaza hoe « Aza mba hampiadianareo ny zanako, fa efa nomeko anareo sy navelako amin’ny Laidama ny didiko sy ny teniko….tsy misy ala tsy novakiako, tsy misy tendrombohitra tsy nanihiko, tsy misy tampon-tanety tsy niadiako… Fa Ramboasalama no anarako … koa nanankery teto afovoan-tany aho koa nalaza hoe Andrianampoinimerina ».

Ny taona 1802, dia nisy Antemoro 5 lahy, no tonga tao Antananarivo, nantsoina hanampy azy, noho ny fahanterany, ary hanampy tohana ny fanjakan’ny Laidama hisolo toerana azy. Tsy iza fa i Imosa, Andrimbita, Ratsimezy, Ratsilikaina ary Andriamahazonoro. Taoriany nahafatesan’i Andrianampoinimerina ny taona 1810, dia nisy namono Andrimbita, Ratsimezy, Imosa ka niteraka fisintahan’ny fanjakana Antemoro, tamin’ny Merina.

Aiza anefa izany hafatra izany ankehitriny ary ilay tarigetra ? Rahoviana vao hotanteraka ilay faminaniana fa hiadana sy ho finaritra ny vahoaka eto Imerina ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire