Angleterre : Boloky any amin’ny « zoo », manompa mpitsidika
Boloky volondavenina antsoina hoe « perroquet gris du Gabon » na « perroquet gris du Congo» tao amin’ny valan-javaboahary ao Angleterre no natokamonina noho ny fanevatevana ireo mpitsidika sy ireo mpiasa. Ao anatin’ireo vorona hatahorana ho lany tamingana ao Afrique équatoriale izy ary anisan’ireo mahay miresaka indrindra maneran-tany.
Tena mahay maka tahaka ary afaka mifampiresaka amin’ny olombelona mihitsy izy. Mandrisika azy hamerina ny fihetsika atao ny fihetsiky ny olona manoloana ny zavatra lazainy hoy ny manam-pahaizana, toy ny zaza hoy izy ary nampitahainy tamina fahaizana zaza 4 taona ny fahaizan’ity vorona ity.
