ActualitésTsidika

Kolontsaina: Efa andiany faha 33 amin’ny Madajazzcar ny amin’ity taona 2022 ity.

Nosokafana ny alarobia teo tamin’ny fomba ofisialy ny andiany faha 33 amin’ny Madajazzcar ka ny alahady 16 oktobra ziao izany no hifarana, izany hoe haharitra 10 andro eo io fotoana lehibe io.

Maro ny zavatra hiseho amin’izany toy ny atrikasa, ny famelabelaran-kevitra, fihaonana amin’ireo mpanakanto isan-karazany, sakafo, ary indrindra fa ny mozika be dia be. Niara-niasa tamin’ny Sanfil Production ny “Comité d’Organisation du MJC 2022” tamin’ity andiany faha 33 ity.

«Manomana seho goavana sy matihanina ary ankafizin’ny olon-drehetra amin’ny salan-taonany avy izahay ho amin’ity taona ity, ary eo ihany koa ny fampifandrasiana ireo kolontsaina isan-karazany avy amin’ny faritra sy ny mpanakanto maro hahafahana mijery ny mety hampandrosoana izany sy ny hahafahana mitondra fampandrosoana ho an’ny Madagasikara amin’ny alalan’izany «rythme Jazz» izany», hoy ny avy ao amin’ny Sanfil Production, mpikarakara.

« Ahitana mpanakanto sy mpana talenta maro avy any ivelany sy avy eto an-toerana ny hetsika mandritra io 10 andro io ary tsy hiato ny fety sy ny resaka ary ny fifanakalozan-kevitra mandritra izany, anisan’ny lehibe indrindra ho hita ao izao raha tsy hiteny afa tsy i Silo, i Monika Njava, i Fabrice Cima aho. Ny fandaharam-potoana moa dia efa mivoaka any daholo », hoy hatrany ny fanazavana.

Fotoana iray hifamotoan’ny mpanakanto isan-karazany io, ary fotoana iray koa hahafahan’ny mpanakanto mifanerasera amin’ny mpanakafy azy mivantana.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire