ActualitésTsidika

Vilihazo : Namoaka mpampiofana mahakasika ny fambolem-bary ny kaominina

Namoaka mpampiofana mahakasika ny fambolem-bary ny kaominina Vilihazo. Ny alarobia lasa teo no nanatanteraka fampiofanana ho an’ireo mpampiofana ireo ny tao amin’ny kaominina. Izy ireo araka ny voalaza no hampiofana sy hanome torolalana ho an’ny mponina eny ifotony. Izany fampiofanana izany izay nifantoka tamin’ny fambolem-bary Papriz 2.

“Tao anatin’ny dingana voalohan’ny fampiofanana no nanomezana ireo teknina an-tsoratra sy ireo torolalana arahina amin’ny fambolem-bary, ho an’ireo solon-tena hampiofana ny mponina eny ifotony ireo. Ho avy tsy ho ela ny fanatanterahana ny dingana manaraka dia ny dingan’ny fanandramana izany” hoy ireo teknisianina nanome ny fiofanana.

“Ilain’ny mponina tokoa ny fanomezana fampiofanana tahaka izao. Indrindra efa sarotra ankehitriny ny fahazoana vokatra tsara noho ny toe-tany sy ny fiovaovan’ny toetr’andro, ka dia hisaorana indrindra ireo tompon’andraikitra izany hetsika izany” hoy I Jean, mpamboly vary.

Efa maro tokoa ireo manapahaizana sy teknisiana mahakasika ny fambolena ankehitriny no mitondra ny fahaizany amin’ny fanatsarana ny vokatry ny fambolem-bary eto madagasikara. Mila fampitaovana sy fiaraha-miasa amin’ny tantsaha anefa raha hikendry vokatra tsara ao anatin’izany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire