Iankinan’ny fifamoivoizana ny fahatsaran’ny lalana
Fototra iray mampirindra ny fifamoivoizana ny fahatsaran’ny lalana. Manana ny lanjany lehibe tokoa ny fanavaozana sy fanamboarana azy ireny mba hialana amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana sy ny olana maro samihafa. Fa ankoatra ny fanamboarana ny lalana, misy ihany koa ny tetikasa fanitarana azy ireny mba hampifandray ny toerana iray amin’ny toerana hafa. Manafaingana ny fifamoivoizana avokoa izany. Efa mihamaro ireo tanimbary nototofana mba hanatanterahana izany tetikasa izany eto Antananarivo renivohitra no jerena, ary hita tokoa fa manamaivana ny fifamoivoizana izany. Etsy ankilany, mitondra lafiny tsara ho antsika ny fananana izany foto-drafit’asa izany. Azo antoka mantsy ny tsy hisian’ny fitohanana be loatra amin’ny lalana vokatr’ireny fanitarana lalana ireny. Mila mitandrina ihany koa anefa ny mpampiasa lalana amin’ireny lalana vaovao ireny, izay miteraka lozam-pifamoivoizana matetika nohon’ny fandehanana mafy sy ny tsy fitandremana maro samihafa. Tsikaritra fa misy hatrany ny tetikasa fanitaran-dalana hataon’ny fitondrana mifandimby. Anisan’izany ity lalana vaovao vao hisokatra ny volana jona ho avy izao ity, izay mampitohy an’ Andranobevava sy By pass Ambohimangakely. Efa vita avokoa moa ny 92% ny fanamboarana rehetra saingy manatanteraka ny 8% sisa ny mpiasa. Nomena vola fanonerana kosa ireo tompon’ny tany voatototra mba hanarenany indray ny fiainana sy ny asa fivelomana. Mirefy 8,21 km io lalana io ary natao hampisain’ny vahoaka Malagasy rehetra hoy ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy. Anisan’ny nanohana izao tetikasa izao ny vondrona eropeanina sy ny masohivoho frantsay. Handrasana araka izany ny fisokafan’io lalana io mba hisian’ny firindan’ny fifamoivoizana hatrany.
Fanilo Rarivoarilala
