Fotoana izao hiantseharan’ireo manam-pahaizana Malagasy amin’ny fitadiavam-bahaolana hiadiana amin’ny Covid-19
Nalaza nanerana ny tambajotra sy teny amin’ny fiaraha-monina teny fa nosakanan’ny Fanjakana ny famokarana ny raokandro Malagasy. Nanambara kosa anefa ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka fa tokony ho ara-dalana ny famokarana raokandro mba hiarovana ny aim-bahoaka ary ihany koa hiarovana ny mpamokatra izany izay tsy midika akory hoe sakanana izy ireo. Betsaka tokoa mantsy ny olona mirohatra manjifa ny raokandro amin’izao indrindra ilay ED1 (remède traditionnel amélioré) noho ity farany nahitana fahasitranan’ny olona izay betsaka no nijoro ho vavolombelona na ny teto an-toerana na ny tany ivelany. Nandeha anefa ny feo fa tsy ara-dalàna ny famokarana azy ity ka nosakanan’ny fanjakana. Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Dr Edmond Rakotomalala, mpamokatra ny ED1, nilaza izy fa misy miezaka manao fitaovana politika hanaratsiana ny fitondrana sy ny raokandro malagasy hafa ary ny CVO ny vokatra novokariny. Mbola ao anatin’ny dingana fampanarahan-dalàna ny voka-pikarohana ED1 izy ireo amin’izao fotoana izao fa tsy misy velively ny fanakanana na fanenjehan’ny fanjakana azy. Efa tena re-daza tokoa ny fahombiazan’ity raokandro moderina ity ka tsy ilaozan’izay tsy hisy hisopatra. Noho izany niantso ny fanjakana hanampy azy i Dokotera Edmond Rakotomalala noho ireo olon-dratsy sasany minia manao bizina sy manao hosoka ny voka-pikarohana hitany. Fotoana tokoa izao hikarohan’ireo manam-pahaizana malagasy rehetra amin’ny fiadiana ity aretina ity ary amin’izany indrindra no tokony hanomezan-danja azy ireo. Azo atao ihany koa ny mampivondrona ny manam-pahaizana rehetra mba hiara-hikaroka vahaolana mahomby ho an’ny Covid-19. Mila mailo hatrany ihany koa anefa ny vahoaka mpanjifa ireny vokam-pikarohana ireny manoloana ny hosoka, koa aoka any amin’ny toerana azo antoka sy voatondro fa hivarotana ireny fanafody ireny no hanatona. Sarobidy ny fahasalamana ka mitandrema hatrany dieny mbola velon’aina.
Nicole Rafalimananjara
