France :Raharaha Misa olona 41 nosamborina noho ny herisetra ara-nofo tamin’ny fampiasana yoga
Misa, sekoly yoga tantanin’i Gregorian BivolaruIreo mpikambana ao amin’ny Movement for Absolute Spiritual Integration (Misa) dia ahiahiana ho nikarakara fampianarana yoga izay voalaza fa noterena hanao firaisana ara-nofo ireo mpandray anjara, indrindra fa tamin’ny mpitarika ny hetsika. Araka ny vaovao nampitain’ny tranokala Bfmtv.com, ity fikambanana ity dia naorin’i Gregorian Bivolaru tany Romania tamin’ny taona 1990. Na dia tsy nitantana ny hetsika intsony aza ity farany nanomboka tamin’ny 1995, dia mbola mpanoro hevitra ny sekoly yoga MISA izy. Malaza any ivelany, ity sekoly ity izay mifantoka amin’ny « yoga esoterique ».
