ActualitésTsidika

Anjeva: Ny alatsinainy 11 sy Talata 12 desambra no hanatanetrahana ny varavarana misokatra momba ny zo fananan-tany

Tohin’ny hetsika izay ataon’ireo avy amin’ny biraon’ny fananan-tany dia mahazo anjara amin’ny varavarana misokatra ataon’izy ireo ihany koa ny ao amin’ny kaominina Anjeva gara. Ny alatsinainy 11 sy ny talata 12 desambra no ho avy ao an-toerana ireo tomponandraikitra hanatanteraka izany.

« Natao indrindra ho an’ireo manana olona amin’ny fananan-tany ity hetsika ity. Izany indrindra no hanasana ny rehetra ho avy hanatrika izany, mba ahafahana mahafantatra ireo zo sy ny toro hay momba ny fananan-tany. Hisy ny tantsoroka sy ny torohay amin’ny famahana ny olana ara-fananan-tany ao anatin’izany, ary eo ihany koa ny fanamorana ny fitsirihana ny zo mikasika ny fananan-tany” hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.

“Mbola olana lehibe eto Madagasikara ny mahasika ny fananan-tany. Eo ny vokatry ny tsy fahalalana, fa eo ihany koa ny tahotra sy ny tery vay manta ataon’ireo tomponandraikitra ambony na mahitahita amin’ny fibodoana tany. Anisan’ny olana miseho amin’izao fotoana ihany koa ny kolikoly ka mahatonga ny olona ho very tany ka tsara entanina isam-pokontany ny olona ho avy amin’ny hetsika tahaka izao” hoy i Henintsoa, mpianatra momba ny lalàna.

Tantsoraka fanampiana amin’ny hamahana ireo olana mahakasika ny fananantany izany varavarana misokatra izany. Eo ihany koa ny torohevitra mahakasika ny fikarakarana antontan-taratasy sy ny fisitrahana zo Fananantany. Ho avy ao an-toerana ireo manampahaizana maro toy ny mpisolo vava, mpahay lalàna hifanampy amin’ireo vahoaka.

Laisser un commentaire