ActualitésTsidika

Masindray : Nahazo anjara tamin’ny fizarana zezika sy masom-boly

Nahazo anjara tamin’ny fizarana zezika sy masom-boly, avy amin’ny ministera misahana ny fambolena ireo tantsaha mpamboly, avy ao amin’ny kaominina Masindray. Ny fiandohan’ny herinandro teo no nanatantetrahana izany fizarana izany, tao an-toerana.

“Tantsaha avokoa ny 80 isan-jaton’ny mponina eto amin’ny Kaominina ambanivohitra Masindray. Mitohy ny asa fampandrosoana. Tafiditra ao anatin’izany ny fanomezana masomboly sy zezika ho an’ireo mpamboly. Tanjona ny hampitomboana ny vokatra amin’ity taom-pahavaratra ity.” hoy ny avy amin’ny tomponandraikitra misahana ny tanàna.

“Tena zava-dehibe ho anay tantsaha ny fanohanana tahaka izao. anisan’ny olana sedraina nefa amin’izao fotoana izao ny tsy fisian’ny orana, ny rano miharitra noho ny fiovaovan’ny toetr’andro ka mampanahy ihany ny vokatra amin’ity taom-pambolena ity” hoy i Eddy, mponina ao Masindray.

Raha tiana ny hitondra fampandrosoana dia ny fanatsarana sy ny fanohanana ny mpamboly no mila himasoan’ny tomponandraikitra. Ny ministeran’ny fambolena dia ao anatin’ny fanatanterahana izany hetsika fizarana zezika sy masomboly izany amin’izao fotoana, ho fanohanana ny tantsaha, isaky ny kaominina.

Laisser un commentaire