Sabotsy Namehana: Nisy ny lamina vaovao napetraka momba ny toeram-piantsonana mampitohy amin’ny kaominina Manandriana
Niteraka savorovoro ho an’ny mponina, ny mpampiasa lalàna, ny kaominina fa indrindra ny koperativa mpitatitra ny mahakasika ny toeram-piantsonan’ny fiara mpitatitra, mampitohy amin’ny kaominina Manandriana. Nitady hevitra entina nandaminana izany ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina roa tontoa, ka nisy ny famindrana ny toeram-piantsonana, araka ny voalaza.
“Manao ny ezaka rehetra ny kaominina ahafahana mandamina ny resaka fitaterana sy ny fiantsonana eto an-toerana. Ao anatin’izany, tsy maintsy misy ny fifampiresahana sy ny fifanantonana ahafahana mitady marimaritra iraisana. Ka ao anatin’izany, nanapa-kevitra fa eny amin’ny jovena no fiantsonana vaovao ho an’ny fiara fitateram-bahoaka mankany Manandriana” hoy ireo avy amin’ny kaominina.
“Hisaorana ny tomponandraikitra mihaino sy mamaly ny fitarainan’ny vahoana hatrany. Anisan’ny tena mampijaly ny mpandeha, indrindra ireo mpampiasa lalana ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny mpitatitra, eo amin’ny resaka toeram-piantsonana. Hirariana mba hampiova ny fomba fiasan’izy ireo izao” hoy io Annah, mponina ao Sabotsy Namehana.
Marihina moa fa fifanarahana teo amin’ny kaominina Sabotsy Namehana sy ny kaominina Manandriana no nametrahana izao toeram-piantsonana izao.
