ActualitésTsidika

Nampitombo ny mpiala sasatra tany Antsiranana ny fahavitan’ny lalana

Efa azo lazaina ho betsaka ireo mpizahan-tany any Diego indrindra ny moron-dranomasina ao Ramena amin’izao vanim-potoanan’ny fialana sasatra izao. Ny fahavitan’ny lalana mirefy 18 km mampitohy an’Antsiranana ambonivohitra amin’i Ramena no niteraka ny fiakaran’ny isan’ireo mpitsidika.

« Efa tafakatra 60% eo ny tahan’ny fizahantany anatiny ao amin’ny Faritra Diana amin’ izao fotoana izao satria efa vita tara manontolo ny lalana » hoy ireo mpandraharaha amin’ny sehatra fizahantany any an-toerana. « Ny avy eto Madagasikara ihany aloha no mpitsidika hita aty Avaratra aty satria ny sisin-tany mbola tsy mivoha ka an misy vahiny aza dia ireo efa monina eto Madagasikara » hoy i Doda, mpitatitra amin’ny « tuk-tuk ». « Tena manam-bola ihany Malagasy raha jerena ireo mpiala sasatra tonga aty Ranomena fotsiny, miala voly marina ny gasy » hoy i Onja, mpiala sasatra hita tany an-toerana.

Nampitombo ny olona nizaha tany tokoa ny fahatsaran’ny lalana hany ka nampitombo ny vola ho an’ireo mponina any an-toerana. Rehefa tsara tokoa ny lalana dia tonga ho azy ny fandrosoana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire