Toby Soatanàna : Mbola manjavozavo ny marina mahakasika ny mpitantana.
Soatanàna no anaran’ny foiben-toerana misy ny fifohazana. Nanana ny tantarany sy ny nampiavaka azy manokana ity toerana ity. Any amin’ny faritanin’ny fianaratsoa, 51 kilometatra miankandrefana, somary minatsimo kely, no misy ny Firaisam-pokotany Soatanàna. Isan’ny faritra be mponina indrindra amin’ireo tanàna manodidina azy ity toerana ity. Vokatra hateraky ny asam-pifohazana ny fahamaroan’ny mponina. Malagasy avokoa izy ireo, ary saika hita ao avokoa ireo foko rehetra manerana ny Madagasikara. Ny fiangonana Loterianina no misahana ity toby iray ity. Tao anatin’ny taona maro lasa, tsikaritra fa tsy mbola tojo olana ity toerana ity. Ankehitriny anefa, tazana nitondra sorabaventy manoloana ny fitsarana tao Fianaratsoa izy ireto. Tsy eny anivon’ny fiaraha-monina fotsiny ihany ankehitriny no ahitana olana fa tafiditra hatrany am-piangonana. Tena fototry ny olana matetika ny tsy fifankazahohana, eo amin’ny samy mpino, sy ny fiaraha-monina. Raha ho an’ity tranga ity manokana, nomelohin’ny fitsarana fa mpanao asa ratsy sy mpiray tsikombakomba amin’ny dahalo ireo mpitantana ity toby lehibe iray ity. Nanamarina ny maha-olo marina azy anefa ny mpino mpiandry namany. Ny alakamisy18 janoary lasa teo mantsy no niantsoan’ny zandarmaria ireto filoha ireto,naiditra am-ponja vonjimaika ireo rehefa vita ny fanadihadihana natao taminy. Nohon’ny tsy naha teo ny mpitory moa, nalefa nody izy ireo, kanjo nohon’ny teny an-dalana hody no voaantso indray ka naverina am-ponja. Miteraka honohono maro eny ambavan’ny olona ny resaka tahaka izao. Samy milaza fa manana ny fahamarinana mantsy na ny mpitory na ny mpiaro. Mbola mapametra-panontaniana ny maro hatreto ny mahakasika ity raharaha ity.
Fanilo Rarivoarilala
