Nigeria : Tonga ao amin’ny tanànan’i Mangu ny ady sy ny herisetra
Na ireo toera-pivavahan’ny kristianina, ny fiangonana, na ireo moske fivavahan’ny silamo, dia samy may sy rava avokoa tao amin’ny tanànan’i Mangu, any Nigeria. Hatramin’izay, nosorohana hatrany ny fisian’ny ady, ary nahay niara-niaina ireo mponina tany an-toerana, izay ny avaratr’i Nigeria, dia ireo mpino silamo no manamarika ny toerana, raha mpino kristianina no mameno ny atsimo. Nanomboka ny volana janoary 2024, lasibatry ny fitifirana sy ny ady ity tanàna ity ka hatramin’izao, anisan’ny mitondra faisana amin’ireo mpino sy mponina any an-toerana. Ankoatra ny faharavan’ireo fiangonana, rava sy potika ihany koa ny sekoly sy trano fonenan’ny mponina. Nandritra ny fanafihana niseho tao an-toerana ny 22 sy 23 janoary, maherin’ny 25 ireo namoy ny ainy. Amin’izao fotoana, tsy mandry fahalemana intsony ireo mponina ka mandositra ny tanàny.
