PolitiqueTatitra

Haïti : Ao anatin’ny fifampiraharahana amin’ny fidirana ao anatin’ny tetezamita ireo tomponandraikitra

 Fanontaniana mipetraka ankehitriny ny mahakasika ny toe-draharaha ao Haïti, hiverina tsy ho ela ihany ve ny fanjakana ao an-toerana ? ao anatin’ny fifampiraharahana, amin’ny fananganana fitondrana tetezamita ireo tomponandraikitra ao Haïti, amin’izao fotoana. Etsy ankilany anefa, mbola ao anatin’ny famoretana sy ny herisetra ataon’ireo andian-jiolahy ny firenena ary ny praiministra, vao napetra-pialana teo, dia mbola an-tsesi-tany. Araka ny nambaran’ny masoivohon’i Guyana, tamin’ny firenena mikambana, dia efa ao anatin’ny ady hevitra ireo manam-pahefana, saingy mety haharitra ny fotoana hanatanterahana izany. Tsy misy ny filoha mpitondra, tsy misy ihany koa ny parlemanta ao amin’ity firenena ity amin’izao fotoana. Raha tsiahivina, dia maty nisy namono ny filoha am-perinasa tao an-toerana, Jovenel Moïse, ny taona 2021 ; ary tsy mbola nisy fifidianana tao an-toerana hatramin’ny taona 2016.

Laisser un commentaire