Burkina Faso : Elhadji Salifou Ouedraogo, lehilahy nahavita namboly Baobab 3000 isa
Elhadji Salifou Ouedraogo, lehilahy teratany Burkinabé. Nahavita namboly ala Baobab tamina velaran-tany mirefy 14 Ha izany nentiny niadiana tamin’ny haintany. Zanaka baobab miisa 3000 no voavoliny tao anatin’ny 48 taona.
Zava-maniry manan-danja indrindra aty Afrique hoy izy ny Baobab na ara-tsakafo na ara-kolontsaina na ara-pitsaboana. Ankehitriny samy migoka ny vokatry ny fikelezany aina ny mponina raha noheverin’izy ireo ho fandaniam-potoana izany tany am-piandohana.
Nanatontosain’ny mpamokatra Mochek K Zongo horonantsary fanadihadiana kosa i Elhadji Salifou Ouedraogo izay mitondra ny lohateny hoe « L’homme qui plante des baobabs ».
