ActualitésTatitra

Mali : Tao an-toerana no nipoiran’ny Saosy voanjo

Sakafo mampiavaka an’i Mali ny Saosy voanjo izay niparitaka ary hoaninana ary Afrique andrefana. Mafé kosa no tena iantsoan’ireo mponina ao an-toerana izany. Miaraka amin’ny akoho no tena fandrahoan’ny mponin’i Mali io sakafo io. Misy ihany koa nefa ireo mikarakara izany miaraka amin’ny hen’omby, trondro na trondro sy akoho « fumé ».

Raha ny fikarakaran’ny ao Sénégal azy kosa dia saosy voatabia no ilaina, ovy, sakay, tongolo, tongologasy, rano, akoho, vomanga, totomboanjo, sira sy dipoavatra ary « marron ». Endasina amin’ny mena-boanjo mamay ny akoho, endasina ny sakay sy ny tongolo, ampiana ilay saosy voatabia sy ilay tongologasy izany ary handrahoana mandritra ny 2 minitra. Ampiana rano avy eo, arotsaka ny ovy sy ny vomanga ary  handrahoana mandritra ny 20 minitra. Arotsaka ny totom-boanjo aorian’izany ary ampiaana sira sy dipoavatra. Arotsaka ny « netatou » ary avela hitombo tsara ilay saosy ary afangaro amin’ilay akoho dia avela ho masaka amin’ny afo malefa mandritra ny 30 minitra.

Afaka hoanina amin’ny varyna paty izany rehefa vonona.

Laisser un commentaire