France: Nolanian’ny parlemanta ny lalàna momban’ny fandriam-pahalemana amin’ny ankapobeny
Nanapaka ny heviny tamin’ny alakamisy 15 aprily lasa teo ny parlemanta Ao france mahakasika ny volavolan-dalàna izay nampiady hevitra nandritran’ny fotoana el any momban’ny filaminana amin’ny ankapobeny. Efa niteraka vokatra hafa tamin’ny polisy iray tany an-toerana io volavolan-dalana io, saingy nolanin’ny parlemanta hatrany izany mba hitsinjovana ny fandriam-pahalemana amin’ny ankapobeny. Ny minisitry ny ati-tany tao an-toerana no nanohana ny ity volavolan-dalàna ho an’ny fandriampahalemana ity. Solombavambahoaka 75 tamin’ireo nifidy izany nandany izany, raha toa ka 33 kosa no nanohitra. Nanohitra tanteraka ity lalàna ity kosa anefa ny mpiaro ny fahalalam-bahoaka, saingy tsy voasakana intsony izany nohon’ny fepetra maro sy vaovao noraisina ao anatin’izany, eo ny ny fanomezana fahafahana ny polisy hanao ny asany antsakany sy andavany, eo ihany koa ny mahakasika ny asa fanaovan-gazety sy ny maro samihafa.
