ActualitésTatitra

Maurice : Miakatra ny tahan’ny trangan’ny dengue

Nanao fanambarana ny ministeran’ny fahasalamana tao amin’ny nosy Maurice fa miverina miakatra indray ny tahan’ny tranga ny dengue tao anaty andro vitsivitsy. Raha tsiahivina dia tao amin’ny faritry ny Baie-du-Tombeau no nahita ny « cas importé » voalohany.

Mba hisorohana ny fiparitahan’ny aretina dia nanapa-kevitra ny hampitombo ny fiambenana ireo tompon’andraikitra. Manoloana izany dia natombok’izy ireo ny « opérations de traçage » izay hizahana ireo tranga azo tamin’ny fifampikasoana sy ny « fumigation » ny faritra sasantsasany ny nosy ary indrindra ireo tena voakasikin’ny aretina.

Tao anatin’ny herinandro dia tafiakatra 22 ny raha ny fanazavana. Efa tonga ao amin’ny nosy Rodrigues ihany koa nefa ny dengue. Raha ny tatitra dia ahitana tranga 25 ao an-toerana.

Laisser un commentaire