ActualitésTatitra

Comores : Moroni, renivohitry ny fivondronan’i Comores

Renivohitry ny fivondronan’i Comores sady renivohitry ny prefektioran’i Moroni-Bambao, ao amin’ny nosy Ngazidja i Moroni. Nanodidina ny 111 329 ny isan’ny mponina tao aminy ny taona 2016 teo.

Avy amin’ny teny hoe « mroni » no naka ny anaran’ny tanana izay midika hoe renirano amin’ny teny arabo. Badjanani sy Djannat ny toerana manan-tantara ao aminy, izay fon’ny tanana.

Ao amin’ny morontsiraka andrefan’i Ngazidja no misy an’i Moroni. Misy seran-tsambo mampifandray azy amin’ireo vondronosy hafa sy Madagasikara ao aminy. 

Laisser un commentaire