Ambohimalaza : Tsy manorina trano fiangonana eny antampon’ny vohitra
Ambohimalaza ilay tanàna miorina eny antampon’ny tendrombohitra mitomandavana misy ny trano sy fasan’ireo taranak’Andriantompokoindrindra. Ny mahagaga indrindra amin’io antampon’Ambohimalaza io dia tsy mba misy trano fiangonana kristiana miorina ao.
Ny trano fiangonana izay heverina ho « Tranon’Andriamanitra » dia naorina eny ambany toerana ety ambany andrefan’Ambohimalaza. Ny andrefana izay toerana fitsipahana ny ratsy raha ny fandaminan’ny Ntaolo. Izany hoe naka fihemorana tsy nanaraka ny fanorenana trano fiangonana ao antampon’ny vohitra toy ny misy ao anaty rovan’Antananarivo ny terak’Ambohimalaza. Nanaraka izay fanao tao Ambohimanga izy ireo. Tsy mba misy trano fiangonana miorina mantsy ao antampon’ny vohitr’Ambohimanga.
Eny ambany avaratr’Ambohimanga no miorina ny trano fiangonana. Ao Ambohimalaza anefa no tena misy ny kristianina iringiriny sy fiangonana Kristianina matajaka indrindra.
Nicole Rafalimananjara
