Basket 3*3: Ekipa efa matanjaka avokoa no miray vondrona amin’ny Ankoay.
Tafiditra anaty vondrona A miaraka amin’ny Serbie, France, Allemagne ary Brésil ny Ankoay mandritra ny fiadiana izay ho tompon-daka eran-tany amin’ny taranja Basket 3*3. Hatao any Vienne Autriche moa ity lalao ity ny 30 may hatramin’ny 5 jona ho avy izao. Ny vondrona A araka izany no hivoaran’ireto ekipa Malagasy ireto izay ahitana ny tompon-daka farany teo dia i Serbie.
“Na dia hita aza fa tsy mifandanja ny lentan’ny ekipa dia tsy milavo lefona fa mbola hiady hatramin’ny farany. Fantatray ihany koa ny herin-tsain’ireto mpilalao Malagasy ireto. Mbola manana telo volana hiomanana ny ekipa ka tsy hanao ambain-javatra hahafahana mitondra vokatra farany izay tratra mody aty an-tabnindrazana”, hoy i Angelot Razafiarivony, Mpandrindra teknika ny Federasiona Nasionaly Malagasy ny Baskety.
“Fanomanan-tena sy fanomanan-tsaina no hatao tsara amin’izao. Tsapanay fa matanjaka ireo ekipa miray vondrona aminay ireo fa izahay ihany koa tsy malemy. Mbola malalaka ny fotoana hiomanana, mbola hisy ihany koa ny stage iozay hotanetarahina any Serbie hahafahana mampitombo hatrany ny fahaizana sy ny traikefa. Mila ny fanohananan’ny vahoaka Malagasy ihany koa anefa izany rehetra izany hahafahana mitondra vokatra tsara”, hoy ny solontenan’ireo Mpilalao.
Ilaina foana ny fanohanana na anaty fahalavoana na anaty fandresena, izany no ilaina amin’ny vahoaka Malagasy manoloana ireto ekipa ireto. Raha tsy mifandona amin’ny mafimafy toy izao ihany koa tsy mitombo ny traikefa hoy ireo mpankafy fanatanjahan-tena sasany. Misy an’i Livio Ratianarivo, Elly Randriampionona, Fiary Rakotonirina ary Arnol Solondrainy no hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany. Alefa Ankoay.
Miora Raharisolo
