Torohevitra : Ny atao entina hanalana ny « points noirs » amin’ny tarehy
Manimba ny hatsaran-tarehy ny « points noirs » na ireny teboka mainty kely miparitaka amin’ny hodi-tava ireny, eo amin’ny faritry ny orona sy akaikin’ny maso no tena misy azy. Miankina amin’ny fikarakarana vatana ihany anefa no mampisy na tsy mampisy azy. Misy fomba tsotra natoraly anefa azo hanalana azy ireny.
Ny fampiasa ny voatabia dia anisan’ny mahomby amin’ny fanalana ny points noirs. Ahoana no atao amin’izany ? Atao maska amin’ny tarehy ny voatabia miaraka amin’ny siramamy sy ranom-boasarimakirana. Fomba tsotra no hikarakarana azy : voasana ny voatabia ary esorina ny voany ka potserina amin’ny sotro rovitra, rahefa izay, tapohina siraamy sy ranomboasarimakirana. Ahosotra amin’ny tarehy madio izany ka ny faritra betsaka mony sy points noirs no atao misy misy, avela 15 minitra eo.
Maro ny tombontsoa azo avy amin’ny fampiasana izany, mety amin’ny tarehy mitera-menaka satria mandrindra ny famokaran’ny hoditra ny tavo amin’ny tarehy ny voatabia sy ny voasarimakirana. Mampikatona ny mason-koditra sy manadio ny hodi-tava sy ny ratra navelan’ny mony. Tsara ny manamarika fa rehefa mampiasa ny maska amin’ny voatabia dia tokony harovana amin’ny masoandro ny tarehy
Manitra Ramanantsoa
