Brésil : Anderson Silva, anisan’ireo mpiady lehibe indrindra amin’ny MMA
Mbola mizarazara ny hevitry ny maro manoloana ny mpiady lehibe indrindra eo amin’ny taranja « arts martiaux mixtes » ahafohizina hoe MMA. Anisany lohandohany amin’izany i Anderson Silva izay efa nahazo fandresena niasa 24 teo amin’ny sehatry mantihanina ary fahareseana niisa 4 izay « disqualification » ny iray.
Teraka ny 14 aprily 1975 i tao São Paulo i Anderson da Silva. Mahazo pasipaoro amerikanina izy nanomboka ny taona 2019. Maro ny amboara azon’i Anderson Silva hatramin’ny nilomanosany tamin’ny taranja MMA. Nahazo ny anaram-boninahitra tamin’ny lanja antonony tamin’ny « Shooto » izy ny volana aogositra 2001 talohan’ny niadiany ho an’ny Pride Fighting Championships. Taorian’ny nilalaovany tao amin’io fikambanana ao Japon io dia lasa tompondakan’ny lanja antonon’ny Cage Rage tamin’ny volana septambra 2004.
Niaro io anaram-boninahitra io in-telo izy talohann’ny nilalaovany ho an’ny UFC (Ultimate Fighting Championship).
