Etats-Unis : Tsy handray anjara amin’ny lalao olimpika any Tokyo i Serena Williams
Nanao fanambarana ilay mpilalao vavy avy any Amerique amin’ny taranja Tennis, Serena Williams, omaly alahady 27 jona fa tsy handray anjara amin’ny lalaon’ny nosy izay hatao any Tokyo ny 23 jolay hatramin’ny 8 Aogosotra. « Tsy ao anaty lisitra aho raha ny fantatro hatreto ary raha ao anaty lisitra ihany koa aza aho dia tsy ho afaka ny handeha mihitsy » hoy ity mpilalao 39 taona ity. Tsiahivina fa efa tompon-dakan’ny olympika ny taona 2012 izy tany Londres. Tsy nilaza mazava ny tena antony tsy handraisany anjara izy fa misy antony maro fotsiny hoy izy.
