Inde : Fiaraha-monina « matriarcale » foko Khasi
Foko miteny môn-khmer ny Khasis, fikambanana fiteny tena re any amin’ny faritra atsimo atsinanan’i Asie any. Ao Inde, ao amin’ny fanjakan’ny Meghalaya, Arunachal Pradesh, Assam, Bengale-Occidental, Maharashtra, Mizoram, Tamil Nadu, Tripura ary ny nosy Nicobar no tena misy azy ireo izay mahatratra 1 282 100 isa. Ahitana ity foko ity ihany koa ao Bangladesh saingy mbola mponina 29 000 ihany.
« Matriarcale » ity foko ity, izany hoe mametraka amin’ny toerana ambony ireo vehivavy. Na finoan’izy ireo aza dia miompana amin’ireo andriamanitra vehivavy amina finoana hafa hoy i Heide Göttner-Abendroth, mpandalina manokana ny amin’izany. « Ka-Meikha » no iantsoan’izy ireo izany, « Ka Blei » kosa ny andrim-bavy na “déesse”.
Anisany tokam-po indrindra ity foko ity ary tokana ihany ny vadin’izy ireo saingy maro misara-bady. Mora ny fisaraham-panambadiana ao amin’ny Khasi ary mahazo miverina manambady ny rehetra. Malalaka ny fisafidianana vady ao amin’izy ireo saingy tsy mahazo mifanambady kosa ny olona mitovy « clan ».
