ActualitésTatitra

Comores : Miroso amin’ny fametrahana paikady nasionaly hiadiana amin’ny fanadiovam-bola ireo tompon’andraikitra

Nikarakara atrik’asa momba ny raharaha famotsiam-bola tamin’ny alalan’ny SRF (Service des renseignements financiers) ny minisiteran’ny fitantanam-bola tao Comores ny 21 febroary teo. Niara niasa tain’izy ireo tamin’izany ny banky iraisam-pirenena sy ny banky foiben’i Comores. « Atelier de validation de la dissémination des résultats de l’évaluation nationale des risques de la stratégie nationale de lutte contre le blanchiment d’argent et le financement terroriste » no lohahevitra tamin’izany.

Olona maro avy amin’ny sehatra samihafa no tonga nandray anjara tamin’io atrik’asa io. Samy nanatsikafona avy ny lesoka manoloana io raharaha famotsiam-bola io teo amin’ny sehatra hiasany avy izy ireo. Tanjona tamin’io hetsika io kosa ny fanatsaharana ny famotsiam-bola sy famatsiam-bola fampihorohoroana (financement terroriste) raha ny fanazavana. 

Laisser un commentaire