ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Lehilahy nisandoka ho « lieutenant » noraisim-potsiny

Lehilahy iray nisandoka ho manam-boninahitra (lieutenant) no noraisim-potsiny noho ny faniratsirany sy famingavingany ireo zandary amperin’asa, tamin’ny alatsinain’ny paska hariva teo.

 « Teo Ambodivoara, fokontany Andranovao, rehefa avy dôzidôzin’ny zava-pisotro (sy zava-pifoka ?) ity lehilahy ity dia ny zandary mandrindra fifamoivozana no nitsapany ny fahalalany. Noho ny habetsahan’ny fiara mantsy mivezivezy dia tsy maintsy arindra sy alamina ny lalana » hoy ny avy amin’ny brigadin’Ambohimangakely.

« Tsy nanaiky ny fandaminana anefa izy ary nilaza fa lehiben’ireto zandary, lieutenant miasa ao Betongolo no vao hifindra hibaiko ireto farany. Niampy teny ratsy sy ompa variraraka ary rehefa nosamborina dia mbola nanohitra sy nampiasa hery indray » hoy hatrany ny fanazavana.

Monina ao Betongolo ity lietnà sandoka ity, ary 25 taona. Nosamborina moa izy ary efa notanana am-ponja vonjimaika ka miandry ny fitsarana azy.

Laisser un commentaire