Torohevitra: Fomba hatao mba tsy hampisy fofona maimbo ny helika.
Efa miverina mafana izao ny andro, efa tafiditra anaty vanim-potoana lohataona tanteraka isika ankehitriny. Ny fotoana toy izao no miteraka fofona ratsy amin’ny vatana matetika. Misy ireo karazan’olona tsy hoe tsy madio na tsy midio fa ny toe-batany mihitsy no mora tsemboka ka miteraka fofona ratsy amin’ny vatana izay manorisory na ireo manodidina na izy tenany.
Ankoatra ny fidiovana sy ny fanadiovana ny vatana iray manontolo mihitsy dia misy fomba hafa azo atao ireto hatolotra anao hanampy anao mba hiala amin’izany fofona izany. Tsara anefa ny manamarika fa ny vatana tsirairay dia samihafa ka anjaran’ny tompony no mijery izay mety aminy sy mahasoa azy. Tsy voatery rehefa mety amin’ny hafa dia mety amin’ny tena.
Voalohany indrindra aloha dia tsy tokony hadino manala ireo volo amin’ny helika ireo fa sady maha tsara ny bikany izany no mampihena ny hatsembohana aterany. Maro ny fomba azo atao hanalana izany ka rehefa vita dia sasana amin’ny rano mangatsiaka 1litatra nasiana karibonetra 1tsongo ary hamainina tsara. Ny karibonetra izay manana singa mampihena ny hatsembohana sy manala fofona. Eo ihany koa ny fampiasana voasary makirana na vinaingitra fotsy, maka landihazo na vovo ka vontosana vinaingitra na ranona voasary makirana ka iny no apetapetaka eo amin’ny helika. Be mpampiasa indrindra amin’izao dia ny alamo izay hita eny amin’ny mpivarotra rehetra eny, manana ny singa mandrafitra azy mampihena ny hatsembohana izany ka sady manala fofona.
Marihina fa zava-dehibe ny madio, mampisy fahasalamana ary indrindra ihany koa tsy manelingelina ny manodidina. Mandro indroa isan’andro no tena idealy indrindra. Anjaranao ary no misafidy izay hitanao fa mety aminao eh!
Miora Raharisolo
