Miandry ny filan-kevitry ny governemanta ny famoahana ny vidin’ny lavanila
Efa hanomboka izao ny taom-piotazana ny lavanila ho an’ny taona 2021-2022 izay sehatra isan’ny tena manampy ny toe-karena malagasy. Tsy mbola voafaritra hatreto ny tena vidiny hamoahana izany satria ny filan-kevitry ny governemanta ihany no tompon’ny teny farany amin’io famaritana ny vidin’ny lavanila io. Tsy mbola izy noho izany ny « prix de référence » nosoratana tamin’ny alalan’ny taratasy nivoaka ny 14 mai 2021 hoy ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny varotra sy ny Minisiteran’ny toe-karena sy ny fitantanam-bola. Antotan-taratasy anatiny na « Document de travail interne » iny taratasy niparitaka teto amin’ny tambazotra serasera iny fa tsy mbola filazana ofisialy akory hoy hatrany izy ireo. Mbola mandalo ny filan-kevi-pirenena amin’ny lavanila aza vao mandalo ny filan-kevitry ny governemanta. Nahitana fihenana ny vidin’ny lavanila nandritra izay 2 taona izay satria nataonn’y tompon’andraikitra 650 000 Ariary isakin’ny kilao izany tamin’ny taom-piotazana 2020-2021 ho an’ny lavanila tsara fa kosa 250 dolara isakin’ny kilao raha ho an’ny lavanila ahondrana alohan’ny ialàny any eny amin’ny seranan-tsambo. Tamin’ny taona 2019-2020 kosa, 900 000 Ariary isakin’ny kilao ho an’ny lavanila tsara raha toa ka 350 Dolara isakin’ny kilao ho an’ny fanondrana. Nandritra ny fivoriana farany nataon’ny Mica sy ny CNV ny 12 May anefa no nilazana izany ho 75000 Ariary isakin’ny kilao ho an’ny lavanila tsara alaina eny am-potony. Mbola miandry ny filan-kevitry ny governemanta araka izany vao avoaka ofisialy ny tena vidiny satria mbola hojerena izay tsy hahafaty antoka ny mpamboly sy ny mpivarotra.
Nicole Rafalimananjara
